Actualités

Karieran’Andilana Avaratra Nifandona ny miaramila sy ireo mpitrandraka


  • Talata 29 Desambra 2020

Nisehoana gidragitra tao amin’ny Karierana « berylium» any Beafo amin’ny

 

 

 

kaominina Andilana Avaratra distrikan’Amparafaravola omaly. Nisy ny fisamborana olona 17 nataon’ny miaramila, ary nitaky ny famoahana azy ireo ny olona. Olona iray no voalaza fa voatifitra teo amin’ny lohany omaly maraina tao amin’ity kariera ity, ankoatra ny tifi-danitra nataon’ny miaramila. Nilaza ho noterena nifametaveta izy 17 mirahalahy, ary nodarohan’ny miaramila. “Nampivadiana lehilahy samy lehilahy izahay”, hoy izy ireo. Nalaina ihany koa ny vaton’ireo ankizy. Jereo io kariera io, fa vahoaka ny ao, hoy ny antso avo. Bodoin’olona io toerana io, ka na ny tompon’ny tany aza tsy afa-miditra, raha ny tatitra, saingy tsy manaiky lembenana ireo mponina, ka miafara amin’ny fifandaonana. Mpandraharaha iray moa no voalaza fa no nomen’ny Fanjakana alalana hitrandraka, araka ny taratasy nasehony ny alakamisy lasa teo nandritra ny fivorian’ny OMC. Nandritra ny gidragitra, dia may ny traktera sy ny lasy, ary ny toeran’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kariera. Tsy tao an-toerana kosa ny ben’ny tanàna tamin’io, hoy ny fampitam-baovao. Nidina tao an-toerana moa omaly ny Prefen’Ambatondrazaka niaraka tamin’ny OMC. Andrasana ny fivoarany !

(Sary fanehoana)

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT