Actualités

Karieran’Andilana Avaratra Nampanantena ny hisokafany ny Minisitra


  • Talata 15 Jona 2021

Nampanantena ny hisokafan’ny kariera any Andilana Avaratra ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny Minisitry harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena

 stratejika Atoa Fidiniavo Ravokatra, nandritra ny fidinany tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo. Nisy rahateo ny fivoriana niarahan’ireo voakasika. Nanambara ny eritreriny hamoaka didim-pitondrana mamaritra ny fitrandrahana ity Minisitra ity. Miandry ny fitsanganan’ny vondrona na fikambanan’ny mpitrandraka ahafaha-miroso amin’ny dingana manaraka. Efa nisy rahateo ny fandavahana tao amin’ny kariera, izay iriain’ny olona ny hitohizan’ny fitrandrahana. Hanaovana tatitra ao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny dingana mialohan’ny didim-pitondrana mamaritra horaisina. Nisy ny fihaonana teo amin’ny governoran’Alaotra Mangoro sy io minisitra io, ary isan’ny noresahina ny hametrahana bokin’andraikitra. Raha nilaza ity Minisitra ity, fa ny fitantanana amin’ny fomba mahomby ny fitrandrahana no ahafaha-mampandroso ny firenena, dia naneho kosa ireo mpitrandraka fa vonona hanaja ny dingana sy ny fepetra rehetra hapetraka: tamberim-bidy na “ristournes”, fanajana ny tontolo iainana, zon’olombelona toy ny tsy fampiasana ankizy,… Afaka mifampiresaka sy mifandamina ihany koa nahoana no niditra tamin’ny vono olona sy fandatsahana aina vao tonga amin’izao ?

 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT