Actualités

Karatra fifanakalozam-bola Miditra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny MVola


  • Zoma 26 Martsa 2021

Taorian’ny fivoahan’ny antsoina hoe Carte Visa Mvola izay nirosoan’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma tamin’ny

 

fanomezana fahafahana ny mpanjifa hifanakalo vola amin’ny alalan’io karazana kara-bola io ny taona 2020 dia efa miditra amin’ny sehatra iraisampirenena ihany koa ankehitriny izay fahafahana mifanakalo izay amin’ny alalan’ny karatra fandraisam-bola amin’ny banky mankany amin’ny kaonty Mvola. Azo tontosaina izany, hoy ny fanazavana, amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny tranokalam-pifandraisana www.mvola.mg izay mitohy amin’ny fanindriana ny safidy “CB to Mvola”. Maimaimpoana ny fanokafana izany. Tsy voatery hanatona ireo toeram-pandraisana na fandefasam-bola mahazatra intsony, hoy hatrany ny fanazavana, fa fanampin’izay ihany koa dia azo atao izany manomboka izao ny manatontosa izay fifanakalozana izay amin’ny alalan’ity karatra ity na ho an’ny eto an-toerana na ho an’ireo any am-pitan-dranomasina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT