Actualités

Karapanondrom-pirenena “Tsy isan’ireo ho antontan’ny tsy miankina…


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Nitondra fanazavana ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Atoa Tokely Justin omaly, mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra amin’ny hahafahan’ireo trano printy tsy miankina hanonta

 taratasim-panjakana. Nambarany fa noho ny hamaroan’ny vahoaka Malagasy, betsaka ny taratasim-panjakana ilaina amin’ny fahafaha-misitraka kopia miainga amin’ny didim-pitsarana na “jugement supplétif” sy karapanondro, ka noho izay dia tsy maharaka ny trano pritim-pirenena amin’ireo taratasim-panjakana na “imprimés” sasantsasany izay ilaintsika, voatery tsy maintsy miara-miasa amin’ny tsy miankina hahafahana manatratra ny fotoana sy ahafahana manome fahafaham-po satria tsy maharaka ny rehetra. Notsipihiny kosa fa ny “imprimés” izay tsy manana lanja ara-pitsarana na “valeur judicaire” ihany no homena ireo tsy miankina, toy ny: requite au jugement, déclaration solennelle sur l’honneur, certificat de résidence, certificat de recherche infructueuse, certificat d’examen somatique. Tsy azo atao any amin’ny tsy miankina kosa ny Karapanondrom-pirenena na CIN satria misy lalàna tsy maintsy hajaina, tsy maintsy ao amin’ny trano pritim-pirenena ihany no atao. Tahaka izany ihany koa ny renin-karatra hanaovana ny karapanondro. Zavatra manara-dalàna, ary zavatra tsy maintsy manaraka ny toetr’andro ihany koa no atao ao anatin’ny hetsika fizarana karapanondro faobe, hoy io Minisitra io. Na izany aza, mampanahy ny resaka tsenambaro-panjakana amin’io, izay ahiana ho ireo orinasa akaiky ny mpitondra no hahazo sehatra sy laka amin’izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT