Actualités

Karaoke gaboraraka Zaza tsy ampy taona 40 voasambotra teny Ambohipo


  • Talata 17 Mey 2016

Anisan’ny toerana tena mafampana amin’ny fandriampahalemana eny Ambohipo eny.

 

 Zaza tsy ampy taona miisa 40 no indray noraofin’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana  ny zoma nifoha sabotsy alina teo, ankizy tratra tao am-panaovana karaoke avokoa no sady nisotro toaka. Saika novolena bar avokoa mantsy any anatin’ireny ivontoerana fanaovana karaoke ireny ankehitriny, hisarihana sy hitazonana ny tanora ary tsy miato ny lanonana mandrapaharainan’ny andro, indrindra rehefa faran’ny herinandro. Nihoatra ny tamin’ny  9 ora alina fotoana tokony hikatonan’ny ivontoerana ihany koa no nahatrarana azy ireo ka samy voasazy ny roa tonta. Tsy natao inona moa ireo zaza tsy ampy taona ireto fa nentina teny amin’ny  commissariat central Tsaralalana fotsiny mba ho fiarovana ny ainy ary dia nampanantsoina naka azy ny ray aman-dreniny taorian’izay. Tsiahivina moa fa vokatry ny fisian’ireny ivontoerana fanaovana karaoke ireny ho an’Ambohipo manokana  dia lasa toerana fitondrana vehivavy ireo trano hazo fivarotana friperie eny an-toerana ka mampitaraina ny maro.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT