Nahasaronana trafikana harena an-kibon’ny tany indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Mpandeha telo saika ho any Addis Abeba Ethiopie no tratran'ny mpiasan'ny Fadin-tseranana nitondra volamena sy vatosoa an-tsokosoko. Teratany vahiny avokoa ireo ka Indo-pakistanais na karana ny iray nahatrarana bolongam-bolamena 895 grama, izay voalaza fa nafenina tany anaty fitombenana. Teratany sinoa kosa ny roa hafa, nahitana volamena nafenina tany anaty akanjo. Mbola nahatrarana vatosoa koa tany anaty entan'izy ireo, izay mbola hotsirihina amin'ny manam-pahaizana manokana, hoy ny fampahafantarana. Tratra aloha izany ireo olon-dratsy mpanondrana harem-pirenena izay mety ampahany ihany. Hanao ahoana anefa ny tohiny Ho lasa lavitra ary hizaka ny saziny araka ny tokony ho izy sa ho vitavita ho azy na hangina toy ireo hafa Betsaka ireo trafika sarona na teto na tany ivelany fa nangina ny ankamaroany, raha tsy hilaza afatsy ny 73,5 kg izay giazan’ny Afrikanina Tatsimo, ny tany Maorisy, Seychelles, Comores,… Raha ny tetsy Ivato manokana, ny 17 septambra 2021 dia nahatrarana Safira milanja 925grama be izao. Teratany karana no sarona, nidoboka am-ponja vonjimaika dia nanao ahoana ny tohiny avy eo Hatramina minisitra am-perin’asa sy minisitra efa niala voatonontonona ho nandray 400 tapitrisa avy nanao fanelanelanana mba tsy handetehana ireo vahiny saingy sarotra moa ny hanenjika sy hikitika manam-pahefana eto. Firifiry ny mpitondra ambony na olom-boafidy voatonona amin’ny trafikana harem-pirenena, ary misy aza no toa efa tratra ambodiomby fa vitavita ho azy. Ny mpangalatra indray no hanadihady, hoy ny fampahalalam-baovao iray izay. Homena vahana mihitsy ve ny jiolahy sy ny dahalo mihaja e
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.