Sarotra ny mikaro-baovao mikasika ity resaka fakana an-keriny ny teratany karana tompon’ny Frip Zone sy Socobe ao Toamasina ity, na ireo polisy misahana ny heloka be vava aza, vaky vava mihitsy fa tsy miara-miasa amin’ny fanomezam-baovao ny fianakavian’ity karana ity, izay heverina aloha hatreto fa noho ny tery vay manta sy fandrahonana ary fampitahorana ataon’ireo mpaka an-keriny azy ireo. Ny resaka heno hatreto aloha dia ny fahenoana fa “mitaky 4 miliara amin’ny fianakavian’ity Karana nalaina an-keriny sy atao takalon’aina ireo mpaka azy”. Hatreto anefa dia tsy fantatra marina ny tena misy azy sy ireo nanao ny fakana an-keriny ity Karana ity, tsy fantatra ihany koa na efa naloa na tsia ity volabe takian’ny mpaka ankeriny ity.
Ho hita eo ihany moa ny ho tohiny raharaha mikasika izany, fa mampisy ahiahy be ho an’ny vahoakan’i Toamasina ny zava-misy, satria raha mitombina io volabe alain’ny mpaka ankeriny io, dia efa avo lenta ny tetika. Ankilan’izay, tovovavy Malagasy iray koa no nisy naka an-keriny tao an-tranon’ny ray aman-dreniny, ny alahady 17 jolay teo. May kila avokoa ny fitaovam-pianaran’ity tovovavy ity, nefa izy kandida amin’ny bakalorea tsy ho ela. Raha ny vaovao azo, izay mbola noporofoin’ny antso an-tariby nataon’ireo mpaka an-keriny tamin’ny renin’ity tovovavy ity, dia ny ekipan-dRa-Com matin’ny FIP ny 14 jolay teo no nanatanteraka azy. Nambaran’izy ireo fa valifaty tamin’ny famonoana ny namany no
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.