Actualités

Karama tsy azo Hitokona ireo mpandraharaha eny Ankatso


  • Alakamisy 26 Aprily 2012

Hatry ny omaly tsy tonga ny karama volana aprily ho an’ireo mpandraharaha eny Ankatso, raha efa nandray ny azy ireo miankina amin’ny tetibola ankapobeny.

 Mpiasa arivo isa mahery no voakasik’ity tsy fandraisan-karama ity raha isaky ny faha-20-n’ny volana no fandraisan’izy ireo izany. Mihitsoka any amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola ny vola. Raha ny fanazavana mantsy dia miainga isam-bolana avy any amin’io ministera io ny vola karaman’ireto mpiasa ireto, dia mandalo any amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika, izay vao tonga eny amin’ny oniversite. Ny zava-misy dia hatry ny omaly tsy mbola nandray karama volana aprily ireo mpiasa ireo, ary dia tapa-kevitra fa hitokona amin’ity anio ity, hitaky ny valin-katsembohany. Ny FAT ihany izany izao no mandrehitra fitokonana. Hafanafana indray izany eny Ankatso eny, izay vao mba nahita filaminana herinandro vitsy lasa izay, manezakezaka mamita taom-pianarana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT