Actualités

Kara-panondro biometrika Fitaovana idealy amin’ny fifidianana


  • Zoma 28 Martsa 2014

Asa farany notanterahan’ny KMF/CNOE ny famoahana ireo ventin-kevitra ho fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana eto Madagasikara izay niarahana nidinika tamin’ireo sokajy sy vondron’olona sy fikambanana maro samihafa miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana tamin’ny volana febroary 2014 lasa teo.

 Anisan’ny nojerena manokana tao anatin’izany ny namoahana ireo zavatra tsara nisongadina vita sy ireo lesoka tokony harenina amin’ny ho avy. Navoitra ihany koa ireo dingana azo tanterahana ao anatin’ny fotoana fohy toy ny fanatsarana ny fiatrehana ireo fifidianana eny anivon’ny tanàna. Tanjona goavana rahateo ny hitondrana fanavaozana eo amin’ny fitantanana ny seha-pifidianana mialoha, mandritra ary aorian’ny fandatsaham-bato tanterahan’ny olom-pirenena.

Efa samy manana ny antontan-kevitra notinapaka rahateo ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa ka andrasana amin’ity faran’ny volana martsa 2014 ity ireo soso-kevitra maro samihafa avy amin’ireo mpiantsehatra. Aorian’izay dia dingana manaraka ny hitondra izany eo anatrehan’ireo andrim-panjakana mahefa toy ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ka hanitsiana na handrafetana lalàna vaovao raha ilaina. Nifaneken’ny besinimaro, ohatra, ny fanatontana kara-panondrom-pirenena biometrika izay sady kara-pifidianana.

Teo ihany koa ny soso-kevitra amin’ny fanatanterahana fanisan’olona mandavan-taona fa tsy mila miandry fotoam-pifidianana. Manamaivana ny asa sahanina no sady mampihena ny fotoana lany ny fahafahana mampihatra io fomba fiasa vaovao io, araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera jeneraly nasionalin’ny KMF/CNOE Solonirabety.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT