Actualités

Kaonty fako amin’ny facebook Toa tazanim-potsiny ireo manakorontana saim-bahoaka


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Aiza ho aiza ny mikasika ny atao hoe heloka ana habaka na “cybercriminalite” manoloana ireto kaonty fako anaty tambazotran-tserasera marobe izay hita mazava fa tsy manao afa-tsy manakorontana saim-bahoaka ireto?

Iaraha-mahita isan’andro, ho an’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera toy ny Facebook moa izany, ny fanaratsiana sy teniteny foana ataon’izy ireo ao. Fandranitana adim-poko, fanompana, fanimbazimbana, fampielezana vaovao diso. Tsy efa tokony ho an-jatony ve no tratran’ny fanadihadiana sy samborina isan'andro raha tena miasa tokoa ny sampan-draharaha misahana azy ity? Ny mahagaga dia hita ho mifanohy mihitsy na mitovy tanteraka ny hevitra voizin’ireto kaonty tsy sahy mampiseho ny tena maha izy azy ireto ary tsy mampino hoe nahim-pon’izy ireo no mandefa ireny fanehoan-kevitra manakorontana fiarahamonina ireny. Midika ireny fa manam-bola ry kaonty fako ary ny tena mahagaga koa anefa dia sady mahara-baovao tsy laitra daholo izy ireo. Efa nisy fanadihadiana nataona haino aman-jery iraisampirenena rahateo mahakasika izay. Mampametra-panontaniana toa vazivazy zaritenany izay mihitsy hoe misy minisiteran'ny kaonty fako mihitsy ve eto fa dia toa efa ela ihany izy ireo no toy ny tazanim-potsiny?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT