Actualités

Kaonfederasion` ny fizahantany Tafapetraka ny filankevim-pitantanana vaovao


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Mitondra ny 7%n` ny harinkarena faobe (PIB) eto Madagasikara ny sehatry ny

 

 

fizahantany satria anisan` ny tena mampidi-bola vahiny. Nisy fiantraikany ratsy goavana ho an`ny toekarena Malagasy ny fikatonan` ny sisin-tanin`I Madagasikara. Misedra olana tanteraka ity sehatra ity satria tsy tonga ny mpizahantany. Nivoaka ny anaran` ireo mpikambana handrafitra ny filankevim-pitantanana eo anivon` ny Kaonfederasion` ny fizahantany eto Madagasikara (CTM). Lany ho filoha hitantana izany i Aina Raveloson ary filoha lefitra i Tojosoa Razafimahefa. Asa goavana no miandry ireo mpikambana vaovao manoloana ny famerenana ny fizahantany. Marihana fa 10%n` ireo mpandraharaha mpikambana eo anivon` ity kanfederasiona ity ihany no afaka niverina niasa eo amin` ny sehatry ny fizahantany. Nidina ho 90% ny vola niditra tamin`ireo mpikambana. Asa miandry koa ny fanatanterahana ireo fitakiana natao ny volana desambra lasa teo. “Ny CTM miantso ny fisokafan` ny sisin-tany na dia amin`ireo faritra manodidina toa an`ny nosy La Réunion sy Afrika Atsimo. Miantso ny fanjakana hiantoka ireo faktioran`ny JIRAMA ho an` ny telo volana faharoa sy fahatelo tamin` ny taona 2020. Na koa, hiantoka ny fandoavana ny trosa amin` ireo famatsiana avy amin`ireo mpiara-miombon`antoka ara-teknika na ara-bola ho an`ny sehatra tsy miankina nandritra ny ady amin`ny COVID-19.Eo koa ny fandoavana ny latsakemboky ny CNaPS nandritra ny telo volana farany 2020. Ny CTM dia mitaky ny fanafoanana ny hetra tamin`ny taona 2020 na ny fandoavana izany amin`ity taona 2021”. Miandrandra ny fisokafan` ny sisin-tany ireo mpandraharaha izay vinavinaina ho amin`ny volana aprily na may 2021.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT