Nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny Talen’ny filaminana anatiny ao amin’ny fari-piadidian’ny faritan’i Toamasina, ny kaomisera divizionera Rakotoarisoa Jean Yves, mikasika ny lafiny filaminana ao Toamasina.
Tia Tanindrazana (TT) : Mitaraina ny mponina amin’ny asan-jiolahy ao Toamasina, anisan’ny tompon’andraikitra ianao. Ahoana no fahitanareo azy ?
Rakotoarisoa Jean Yves (Jean Yves) : Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa milamina ny tanàna raha ho an’i Toamasina, nefa iarahana mahita ihany ireo asan-jiolahy mitam-piadiana sy fanendahana arahana famonoan’olona ary fakana an-keriny olona ireo, izany hoe mampatahotra ka ilana fitandremana sy fahamailona.
TT : Inona no anton’izany ?
Jean Yves : Raisiko adidy sy tenina tomponandraikitra ity ho lazaiko ity. Be loatra ny basy miparitaka eto amintsika noho ny krizy maro nandalovan’ny firenena. Be loatra ny basy mahery vaika eo am-pelatanan’ny olon-tsotra ampiasain’ireo mpanao politika sy ny mpitondra hiarovana ny fahefany. Maro tamin’ireo fitaovana ireo no tsy tafaverina any amin’ny toby ary efa nanambara ampahibemaso izany ny mpitandro ny filaminana tamin’ity taona ity. Ireny fitaovana ireny no ampiasain’ireo olon-tsotra manao ny asan-jiolahy ankehitriny, na ampanofainy na ampiasainy mihitsy. Miha mahery vaika ny fitaovana fampiasan’ny jiolahy izao, tsy mifanaraka amin’izay anefa ny anay polisy. Sarotra ny asa nefa efa nekena ny hiaro ny vahoaka Malagasy sy ny fananany.
TT : Basy navoaka nandritra ny krizy izany ireo basy miparitaka ireo ?
Jean Yves : Tena izay mihitsy ! Manamarina izany ireo laharana bala hita amin’ny fotoana anaovana ny fanadihadiana mandritra ny asan-jiolahy mitranga. Efa nambarako nandritra ny fahazoana an’i Fredo sy ny namany farany teo, fa mbola misy kalaky tsy latsaky ny efatra sy basy poleta maro mbola karohina any ho any. Tsy maintsy ataonay izay hahazoana ireny ary efa ao anatin’izany ny mpiara-miasa amiko izao.
TT: Inona ary ny fepetra noraisinareo momba ity tsy filaminana mitranga ity ?
Jean Yves : Fiaraha-miasa amin’ny rehetra ihany ny vahaolana. Manomboka any amin’ny fianakaviana, ny Fokontany, ny mpandraharaha, ny olom-boafidy sy olom-boatendry ary indrindra izahay mpitandro ny filaminana. Efa nanaovako fanazavana manokana ny momba izany. Io iaraha-mahita io ny vokany, nefa tsy ifanomezan-tsiny fa izahay no tena tompon’andraikitra voalohany. Tsorina ihany koa, fa ataon’ny mpitondra ankilabao ny famatsiana fitaovana ny mpitandro ny filaminana, raha misy dia fitaovana efa ela niasana na antitra. Faritra telo no sahanina nefa zara raha mahatratra 60 tapitrisa ariary ny vola enti-miasa, ny fiara tsy misy.
TT: Raha fehezina ny resaka, inona izany no tena zava-misy ao Toamasina ?
Jean Yves : Ramalina aza mifehy hazo tokana. Tsy tokony hisy ny hampatahotra, fa mila fitandremana sy fahamailona isan-tokantrano. Nanao ezaka koa izahay momba ny mpialasasatra sy ny fotoam-pialantsasatra, efa nasiana polisy manao fanamiana sivily andro aman’alina ny moron-dranomasina sy ny faritra be olona, koa tongava izay misafidy an’i Toamasina, fa efa natao ny ezaka rehetra hitandroana ny filaminana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.