Tsy laitra ny delestazy avy orana ety aminay, hoy ireo mponina eny Fenoarivo, raha ny hita tao anatin’izay andro vitsivitsy nilatsahan’ny orana nanomboka ny faramparan’iny taona 2022 iny izay.
Isaky ny misy orana dia tsy maintsy manaraka ny fahatapahan’ny herinaratra. Adin’ny iray na antsasak’adiny dia miverina kely dia avy eo tapaka indray dia toy izany foana, hoy ny mponina iray eny an-toerana. Arahan’ny fahatapahan’ny rano koa izany indraindray, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.