Actualités

Kaominin’i Betafo Hizara zanakazo fihinam-boa 20 000 isa


  • Talata 24 Novambra 2020

Efa manomboka ny fizarana zanakazo ao amin'ny Kaominina Ambanivohitr'i Betafo.

 

Isan’ny tsy tara amin’ny fandraisan'anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Kaominina Betafo satria vao nandray ny fitantanana ny tanàna Atoa Livasoa Randriatahinamalala dia nanorina tanin-janakazo, ary nitady mpiara-miombon’antoka amin’izany fiarovana ny tontolo ianinana izany. Zanakazo fihinam-boa miisa 20 000 isa no hozarain’ny Kaominina maimaim-poana amin’ny olon-tsotra na fikambanana na fiangonana izay nanao fangatahana mialoha ka manaja ny fepetra ihany koa satria dia misy fepetra ny fisitrahana izany. Marihina fa zanakazo fihinam-boa, toy ny zavoka, voasary, papay, manga, kafe, okanela, ananambo, voanjohazo. Olona tsotra, fikambanana maro no nahazo anjara tamin’izany fizarana zanaka hazo fihinam-boa izany, ary tia ny hanamarihana fa mbola hisy ny andiany faharoa izay vinavinaina amin’ny vola Febroary taona 2021 satria vao mamamafy indray amin’izao ny Kaominina, hoy ny Tompon'andraikitra. Izao hetsika izao moa dia iarahana amin’ny fikambanana Graine de vie sy Groupe Socota. 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT