Taorian’ny fanomezana fe-potoana ho fampanarahan-dalana ireo takela-by
fametrahana dokam-barotra eto Antananarivo dia nampahatsiahy ihany koa ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo fa 31 janoary izao ihany koa no fetra farany amin’ny fanavaozana ny dosie ahafahana misitraka fiantsonana ho an’ny fiara na “parking” eto Antananarivo. 600.000 ariary isan-taona na 50.000 ariary isam-bolana no saran’izay famandrihana “parking” izay, hoy ny CUA. Ireo mikasa ny hahazo fiantsonana voatokana na “parking réservé” moa no voakasik’ity fampatsiahivana ity, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny CUA hatrany. Mbola miandry izay mba tamberin’andraikitra aterak’ireny omen’ny kaominina moa ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.