Anisan’ny tanana tena mihitatra sy mandray vahiny ny tananan’Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy omaly mantsy dia mahatratra 400 isan-taona ny fangatahana fanorenana voarain’izy ireo.
Ny olana anefa raha araka ny fanazavany dia maro amin’ireo olona mividy tany no efa nifanaraka tamin’ ny tompon’ilay tany vao tonga manatona azy ireo. Efa vonona ny hividy raha izay no hanazavana azy nefa maro misy amin’ireo tany eny amin’iny faritra iny no tsy azo hanorenana fa natao hambolena fotsiny ihany. Misy indray ny ampahany ihany no azo hanorenana fa tsy maintsy hatao espace verte ny sasany raha voafaritra mazava ihany koa ny haavon’ny trano azo hatsangana. Misy ihany koa anefa ny tsy azo hanorenana mihitsy raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany ka tena tsy azo handeferana ho an’ireo olona minia mandika izany. Miezaka manentana ny olona mba hanatona ny SRAT etsy Ambatomena na ny sampandraharahan’ny fanajariana ny tany araka izany ny kaominina mialohan’ny hanapahan’ny olona iray hevitra hividianana tany iray na tsia. Raha sanatria ka tafahitsoka amina tany tsy azo hanorenana mantsy ny volaben’ny tokantrano iray nefa tsy azo hanaovana na inona na inona ilay tany dia mitarika azy ireny hanaotao foana izany. Antony mampahazo vahana ny fanorenana tsy ara-dalana io hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity ka mampitombo isa ireo tanana dibo-drano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Mety ho tany natao hiandronan’ny rano mantsy ilay toerana hoy hatrany izy fa tsy hanorenana. Marihina fa takian’ny kaominina Alasora moa ity taratasy avy any amin’ny SRAT ity miaraka amin’ny cerificat de juridique… mialohan’ny hamoahan’izy ireo ny taratasy fahazoan-dalana hanorina trano na ny permis de construire.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.