Actualités

Kaominina Talatamaty Voakasiky ny zavatra tsy nataony


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Diso adiresy ! Izay no mahalaza ny tatitra an-gazety iray mpiseho isan’andro eto an-drenivohitra mikasika ny fanodinkodinam-bola nitranga tamina Kaominina iray ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

 Ny Kaominina Talatamaty no notaterin’io gazety io fa nisehoan’izany izay mahatratra 400 tapitrisa ariary be izao, na tsy tao aza no nisehoan’izany. Nahazo voalohan’ny pejy mihitsy ity lahatsoratra ity ary tena nanaitra ny maro. Raha tsiahivina dia efa efa-bolana izay no nitrangan’io fanodinkodinam-bola io tamin’ilay Kaominina. Ny “comptable” sy ny delege araka ny loharanom-baovao azo no nanodinkodina ny vola, hetra tambatra an’ny Kaominina avy any amin’ny Trésor saingy tsy narotsak’izy ireo tao amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina fa nafindrany tany amin’ny banky iray saingy mbola tamin’ny anaran’ny Kaominina ihany. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Ben’ny tanàna no nahafantarana izany ka nampirotsaka ny Bianco sy ny mpisafo raharaham-panjakana hanao ny fanadihadiana. Tsara ny manamarika fa vokatr’io raharaha io dia efa nalana tamin’ny toerany ilay delege.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT