Actualités

Kaominina Talatamaty Olana ho an'ny tantsaha ny rano sy ny fampitaovana


  • Alakamisy 03 Aprily 2014

Olana sedrain'ireo tantsaha mpamokatra ao anatin'ny Kaominina Talatamaty, Distrikan'Ambohidratrimo ny resaka rano. Manoloana izany dia fantatra fa hiara-kiasa amin'ny APIPA ny Kaominina amin’ny fanamboarana lakandrano sy ny tohodrano hahafahana mifehy ny rano ilain'ny tantsaha.

 Ny 60 %-n'ny mponina ao amin'ity Kaominina ity mantsy dia tantsaha avokoa izay misedra olana ara-pitaovana ihany koa. Notolorana fitaovana fanondrahana, niampy zezika sy masomboly izy ireo. Ny Kaominina no nandoa ny antsasaky ny vidin'ireo fitaovana ireo raha anjaran'ny tantsaha kosa ny ambiny. Hetsika fanao isan-taona izao, hoy ny Ben'ny tanàna Rado Razafindratsimba hahafahana mampitombo ny voka-bary. Nifanandrify amin'ny fiatrehana ny varialoha izao fanolorana fitaovana izao, izay notsindrian'ireo tantsaha fa tena tonga amin'ny fotoana ilany azy. Ankoatra ny voka-bary dia manana ny maha izy azy amin'ny fiompiana trondro sy ny akoho amam-borona ihany koa ny Kaominina talatamaty.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT