Tantsaha ny 80%-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Saika hita sy vokarin’izy ireo ao anatin’ity kaominina ity avokoa ireo karazana legioma maro samihafa toy ny voatabia, ny anana, …
izay marihina fa tsy hampiasana ireo zezika misy akora simika ny ankamaroany fa saika bio avokoa raha tsy latsa-danja amin’izany ny vary sy ny hanin-kotrana toy ny mangahazo. Mavitrika miompy ihany koa ireo tantsaha ao anatin’ny kaominina Talatamaty. Ankoatra ny akoho amam-borona dia miompy bitro ihany koa izy….vokatra izay nampahafantarina ny mpanjifa nandritra ilay foaram-bokatra notanterahina teny an-toerana tamin’ny volana Jona lasa teo. Mba hahafahana manosika bebe kokoa ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ity kaominina ity ary dia tonga nanolotra fitaovana maro isan-tsoajiny ho azy ireo omaly ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic sy ireo mpiara-miasa aminy. Borety, angady, fanondrahana na arrosoir, pulverisateur, zezika, masomboly, masinina fivelezam-bary, masinina fiavam-bary, fanafody bibikely no natolotra tamin’izany entina hanohanana azy ireo. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’ireo tantsaha mpamokatra izany fanampiana izay hirarian’izy ireo hatrany ny hotohizany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fitaovam-pamokarana omaly tao amin’ny kaominina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.