Actualités

Kaominina Talatamaty Hatao rarivato avokoa ny lalana eny amin’ny Fokontany


  • Talata 19 Jolay 2022

Mihazakazaka ny asa fanamboaran-dalana ao anatin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic mantsy dia betsaka ireo lalana mampitaraina ny mponina fatratra tao anatin’ny 2 taona lasa izay. Noezahin’ny kaominina natao rarivato avokoa izy ireo, asa izay efa nanomboka tamin’ny 12 mey lasa teo. Tao Ampitazanana Amborimpotsy no nisantarana izany izay mirefy 285 metatra. Nitohy tao amin’ny Fokontany Fitroafana indray ny asa ny faran’ny herinandro teo raha efa eo an-dalam-pikarakarana ireo sisa mbola tsy vita ny kaominina. Nambaran’ity Ben’ny tanana ity hatrany moa fa saika hiompana any amin’ny asa fanamboaran-dalana sy foto-drafitrasa ny asa izay hosahanin’izy ireo manomboka izao taorian’ny nankalazana ny fetim-pirenena 26 jona lasa teo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsena izay efa nokasaina hasiana rihina, ny sekoly.
Pati
Legende : Nandritra ny fanamboarana ny lalana tao Fitroafana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT