Actualités

Kaominina sokajy faharoa Mila manaraka ny fitantanam-bolam-panjakana


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Niova niaraka tamin’ny alalan’ny lalàna 2014-020 ny fomba fitantanam-bola eny anivon’ny kaominina sokajy faharoa manerana an’i Madagasikara.

 

 Miroso tsikelikely amin’ny fampiharana ny lalàna laharana 2015-959 azy io ankehitriny ny sampandraharahan’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny «Institut National de la Décendralisation et du Développement Local» tohanan’ny mpiara-miombon’antoka alemana Giz. Nanombohana izany ny fampiofanana ireo ben’ny tanàna sy ireo «Comptable Public Principal» eto amin’ny faritra Analamanga. Mifantoka amin’ny teboka 3 lehibe ireo fanavaozana tsara ho fantatr’ireo tompon’andraikitra mpitantana ny lafiny ara-bola eny amin’ny kaominina sokajy faharoa, araka ny fanazavan’ireo teknisianina ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony. Eo aloha ny fampisarahana mazava ny olona mpanome alalana sy ny mpitana ny kaontim-bola. Tsy maintsy manaraka ny «Plan Comptable des Opérations Publiques 2006» ihany koa ny fanatanterahana ny tetibolan’ny kaominina sokajy faharoa. Fahatelo farany kosa dia mila mifanaraka amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ny fitantanam-bola eny amin’ny kaominina sokajy faharoa manomboka izao.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT