“Tsy misy Kaominina ho hadino amin'ny fampandrosoana intsony fa ny fiaraha-miasa no hitondrana ny fampandrosoana ho an’ny rehetra”.
Teny famerimberin’ny filoha Andry Rajoelina io tato ho ato. Tanteraka izany teny Ivato. Tonga teny amin’ity Kaominina vavahadin’i Madagasikara ity mihitsy ny filohan’ny Repoblika omaly, nanolotra fiarabe mpitaona fako sy dabam-pako ho an’ny Kaominina hanadiovana ny tanàna. Fampanantenana nataony nandritra ny fitokanana ny Kianja manarapenitra tao Mahitsy – Ambohidratrimo ny alahady 6 jona 2021 io. Hisitraka fotodrafitrasa maro ihany koa ny Kaominina Ivato toy ny sekoly, kianja manara-penitra ary gymnase araka ny fangatahan’ny mponina. Hanolo-tanana amin’ny fanavaozana ny Lapan’ny tanana ihany koa ny fanjakana ary hasiana fanamboarana ireo lalana izay feno lavadavaka. Tsy ijerena loko politika ny fampandrosoana. Mila miasa miaraka isika, mila miray hina, hoy i Andry Rajoelina. Ny mponina sy ny vahoaka no jerena koa na tsy mitovy firehana politika aza dia hiara-hiasa ny fitondram-panjakana sy ny fiadidiana ny tananan’Ivato mba hitondra fampandrosoana. Nojerena avy hatrany omaly ny fanamboarana tokony hatao amin'ny biraon'ny Kaominina Ivato niaraka tamin'ny Governoran’ny Faritra Analamanga Rasoamaromaka Hery.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.