Actualités

Kaominina Ivato Hofehezina tsy hiparitaka ny covid 19


  • Zoma 12 Martsa 2021

Mitombo isa ireo olona tratry ny valan’aretina Covid 19 mandalo eny anivon’ny CSB II ao anatin’ny kaominina Ivato,

 

 

 distrikan’Ambohidratrimo. Voakasik’izany manokana ny CSB II ao Ivato tampon-tanana sy Ambodirano, raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna omaly Manitra Andrianjakarivony. Nisy araka izany ny fivoriana maika niantsoan’ny kaominina ireo lehiben’ny tobim-pitsaboana ireo hitadiavana ny vahaolana maika. Nantsoina nandritra izany ihany koa ireo sefom-pokontany roa sy ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tapaka nandritra izany fa hisy ny fanentanana goavana hatao amin’ireo mponina ao Ivato mikasika ny ady hatao amin’ny valan’aretina Covid 19 mba tsy hiitarany. Lohalaharana amin’ireny ny fanaovana aron-tava, ny fanasan-tanana amin’ny savony ary ny fanajana ilay elanelana 1 metatra. Hisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody ireo biraom-panjakana rehetra ao an-toerana ankoatra ny fanadiovana ny tanàna.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT