Actualités

Kaominina Ivato Hisy fotodrafitrasa goavana hitsangana


  • Zoma 30 Septambra 2022

Raha tsy misy ny sampona. Hitokana fotodrafitrasa goavana eto isika amin'ny faran'ny taona. Hanomboka ny asa marobe”, hoy ny Fiadidian’ny tanànan’Ivato tarihin’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa.

Niara-nidina nijery ny toerana hanaovana ireo fotodrafitrasa hatao ao amin'ny kaominina Ivato mantsy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa ny androan’ny omaly alakamisy 29 septambra 2022. Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona ny asa maro, toy ny kianja mitafo na Gymnase, kianja filalaovana baolina ho an’olona 7, kianja fanaovana basket, boulodrome,... raha ny fampanantenana. Tsy izay ihany fa goavana indrindra amin’izany ny biraon'ny kaominina izao hatao manara-penitra. Nankasitraka ny Filoha ny ben’ny tanàna amin'ny tsy ijereny loko politika fa mikendry fampandrosoana kosa, hoy ny fanamarihana. Tsara rahateo no mampahatsiahy, fa ben’ny tanàna lany tamin’ny lokon’ny Antoko TIM ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, izay efa fe-potoam-piasana roa izao no nitondrany ny tanàna, saingy niara-niasa hatrany tamin’ireo mpitondra nifanesy teo na manga na volomboasary, mba tsy haha lasa sorona noho ny loko politika ny kaominina Ivato izay vavahadin’i Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT