Actualités

Kaominina Ivato – Ambohidratrimo Maneho ny maha vavahadin’i Madagasikara azy


  • Alakamisy 02 Jona 2016

Manomboka miova endrika ny tanŕnan’i Ivato. Mahatsapa ny asa mivaingana efa vita ny mponina eny an-toerana,

 

 hatramin’ny nandraisan-dRandrianarisoa Hasiniaina Landry (Penjy) ny fitantanana ny tanàna. Nanomboka tamin’ny fifehezana ny fanadiovan’ny tanàna sy ny fandaminana ny tsena izany, nitohy amin’ny fanarenana sy fanorenana fotodrafitrasa. Anisan’ny vaovao amin’ireny ny nananganana ny "Vavahadin'i Madagasikara" eo amin’ny sampanana miditra ny CCI Ivato sady faritra mampisaraka ny Kaominina Ivato amin’ny Kaominin’i Talatamaty. Nijery ny famitana ny asa teny an-toerana ny Ben’ny tanàna Penjy sy ireo mpiara-miasa aminy ny talata 31 mey teo. Omaly dia nitarika ny hady fototry ny fanamboarana EPP ao Ilaivola izy. Trano misy efitra telo izy ity, miampy fanarenana trano iray may. “Hovitaina ao anatin'ny iray volana ny asa ary volan'ny Kaominina madiodio no hanaovana azy ary hatao manara-penitra ho tombontsoan’ny mponina”, hoy ny Ben’ny tanàna Randrianarisoa Hasiniaina Landry.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT