Actualités

Kaominina Fianarantsoa Ny mpiasa ary mitokona, ny PDS aty Antananarivo


  • Alarobia 10 Aprily 2013

Nahari-pery tokoa ireo mpiasan’ny Kaominina Fianarantsoa. Folo volana tsy nandray karama izy ireo ary izao vao tapa-kevitra hanao fitokonana fanairana mandritra ny telo andro.

 Tsy misy miasa nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’ny anio alarobia izy ireo fa mitokona eo anoloan’ny varavaran’ny Lapan’ny Tanàna ao Tsianolondroa izay nametahany sorabaventy miantso ny fanjakana foibe hamaha ilay olana. Nohidian’ny mpiasa avokoa ny birao mikarakara ny taratasim-panjakana raha nampiato ny fandraofana fako koa ireo mpanao izany. Atobin’ireo mpaka fako eo anoloan’ny biraon’ny Kaominina koa ny fiara telo fampiasana amin’izany mandrapahavita ilay grevy fanairana. Araka izany dia maloto dia maloto ny tanàna satria misavovona ny toeram-panariam-pako.

Sahirana koa ireo mpila raharaha ao amin’ny Kaominina noho ny fikatonan’ny birao. Eto an-drenivohitra moa ny PDS-n’i Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina, amin’izao fotoana mitady vahaolana amin’ny mpitondra ambony satria tsy vitan’ny Kaominina samy irery ny raharaha. Nilaza i Pety Rakotoniaina fa tsy zakan’ny tetibolan’ny Kaominina ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa satria kely dia kely ny vola miditra mandritra ny telo volana voalohany. “Lany amin’ny asam-panjakana mahazatra sy fandiovana ny tanàna ny hetra azo manomboka amin’ny janoary hatramin’ny martsa. Isaky ny aprily vao mihatsara ny fidiram-bola”, hoy izy. Nambarany fa efa noresahana io olana io ny minisitry ny tetibola tamin’ny fandalovany tany an-toerana ary miandry ny tohin’ny resaka ankehitriny. Soso-kevitra naroson’i Pety Rakotoniaina tamin’izay ny hanomezana mialoha ilay famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana isan-taona mba hamonjena ny maitso ahitra izany hoe hanetsemana ny tsy fahampiam-bola andoavana ny karaman’ny mpiasa mandritra ny telo volana voalohany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT