Actualités

Kaominina Fianarantsoa Mitaky ny fialan’ny PDS Pety ny mpiasa


  • Alarobia 24 Jolay 2013

«Pety mpampijaly vahoaka, mialŕ ...». Io raha fehezina sy fintinina ny votoatin’ny fanambaran’ireo mpiasa an-jatony ao amin’ny fiadidiana ny tanŕnan’i Fianarantsoa Renivohitra, voalaza fa tsy naharay ny karamany efa ho 11 volana izao, mitaky ny fialan’ny PDS Pety Rakotoniaina.

Nanomboka ny alatsinainy dia nitokona teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna izy ireo, rehefa avy nilahatra teny an-dalambe naneho ho hitam-bahoaka ny tsy fahafaliany. Nitohy omaly ny hetsika ary dia narantirantin’ny mpiasa nanoloana ny fidirana ny Lapan’ny tanàna ireo sorabaventy samihafa. Raha somary nangigina ny fitakiana taorian’ny fandalovan’ny filohan’ny tetezamita tao an-drenivohitr’i Betsileo farany teo iny tamin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa manara-penitra samihafa tao an-toerana, fa ny karama roa volana aloha no hoefain’ny fitondram-panjakana.

Hatramin’izao, hoy ireto mpiasan’ny Kaominina ireto dia tsy mbola hita izany karama roa volana izany, ka anairanay ny fitondram-panjakana foibe mba hijery haingana ny fanatanterahana izay fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita izay. Izany no anton’izao hetsika izao, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitarika ny sendikan’ny mpiasan’ny fiadidiana ny tanàna ao Fianarantsoa. Kaominina maromaro no ianjadiam-pahasahiranana toy izao mitranga ao Fianarantsoa izao, anisan’izany ny ao Toliara. Ny mpiasa matetika no iantefan’ny akony ratsy. Misy fiantraikany amin’ny asa sahanin’ny Kaominina ihany koa anefa izany, toy ny fandraofana fako/fanadiovana sasany, fikojakojana ny lalana.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT