Kaominina Didy

> Ho filamatra amin’ny fampihavanana


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Hanatanteraka ny fanamby ny fiadidiana ny tanŕna. Ny fanamafisana ny fihavanana sy ny fifankatiavana eo amin’ireo mpiara-belona ao anatin’ny faritra no tanjona amin’ny fanatontosana ny tsenabe Fihaonana any amin’ny Kaominina ambanivohitra Didy.

Ho filamatra raha mitaha amin’ireo Kaominina 78 ambiny mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro no ezaka ataonay, hoy ny Ben’ny tanàna, Radoka Davidson eo amin’ny firosoana amin’ny fampihavanana. Izay no nahatonga ny anaran’ny tsenabe ho “Fihaonana”. Hihaona sy hifanerasera any avokoa mantsy ny sokajin’olona eto Madagasikara, indrindra ireo samy hafa fomba fijery eo amin’ny raharaham-pirenena. Tsy atao sakana eo amin’ny fampandrosoana ny fahasamihafana fa nentina ho singa iray hitondrana fampivoarana ny tanàna. Hanomboka amin’ny 28 aogositra izao ny tsenabe ary tsy hifarana raha tsy ny fiandohan’ny volana septambra. Manantena ny fiadidian’ny tanànan’i Didy fa ho mafy orina tokoa ny fihavanana sy ny firaisankinan’ny mponina ao anatin’ny hefarana hanatanterahana io tsenabe io. Miandrandra ny fahatongavan’ny rehetra any an-toerana ny Ben’ny tanàna, indrindra ny mpivarotra sy ireo zanaka ampielezana satria hisy ny atrikasa manokana hotanterahana mandritra io tsenabe io.

 Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT