Actualités

Kaominina Betafo Namoaka mpiofana informatika 392 isa


  • Talata 17 Mey 2022

Niampy 152 ireo tanora mahay ny fototra amin’ny informatika hikirakirana solosaina ao Betafo, Faritra Vakinankaratra.

Andiany faharoa amin’ireo nisitraka fiofanana maimaimpoana nandritra ny telo volana izay nokarakarain’ny Kaominina ambonivohitra Betafo. Navoaka ofisialy ny sabotsy 14 mey teo izy ireo, mandrafitra ny andiany “FAHAZAVANA”. Ny Ben’ny Tanàna Randriatahinamalala Livasoa no tompon-kevitra ary niantoka ny fandaniana tamin’izao fiofanana izao. Naka finiavana hampanao izao fiofanana izao aho hoy ity Ben’ny Tanana ity satria “fantatro fa tena tsy azo hidovirana intsony amin’izao fotoanan’ny teknolojia izao ny fahaizana mikirakira solosaina na amin’ny fianarana na amin’ny sehatry ny asa. Dingana iray iny no vitan’ireto tanora fa kosa mamporisika azy ireo hanohy sy hanatevina ny fianarana izay azony”. Tsiahivina fa tanora 240 isa ny andiany voalohany efa nisitraka ity fiofanana informatika maimaimpoana ity, ary navoaka tamin’ny volana desambra 2021.
Jean D.
Legende : Ireo mpiofana informatika andiany faharoa
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

Hijery ny tohiny
FTT