Actualités

Kaominina Antsirabe Renivohitra Nahazo karama ihany ny mpiasa


  • Talata 30 Jolay 2013


 

Nahazo karama omaly alatsinainy 29 jolay ny mpiasan’ny Kaominina Antsirabe Renivohitra. Karama volana jona 2013 ity noraisina ity. Efa mahazatra ny mpiasa ny fahatarana saingy lava loatra tamin’ity indray mitoraka ity. Niteraka olana izany satria nisy tamin’ireo nanana kaonty tany amin’ny banky no zara raha nandray 20.000 Ariary sisa. Notapahan’ny banky mantsy ny anjara volany niampy ny sazy vokatry ny fahatarana ka zara raha nisy vola noraisina. Ireo mpiasa nanao findramam-bola no tena lasibatra tamin’izany. Raha ny Kaominina Antsirabe Renivohitra moa dia efa ela no niaiky fa tsy kely ny vola miditra, ka tsy mahasahana ny fandaniana. Voavaha ara-potoana ihany anefa ny olana hatramin’izay fa tamin’ity kosa mampametra-panotaniana ny maro hoe sao mba olana ara-pitantanana, ary aiza ny mpanara-maso manoloana izany ?

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT