Kaominina Antsirabe I

> Mitaky ny fanesorana ny PDS ny mpiasa


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013

Tantara mitohy ny fitokonan’ny mpiasan’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe satria dia tapitra ny 48 ora faharoa nomen’izy ireo, nefa tsy misy fivoarany ny toe-draharaha.

Araka ny efa nambarany moa dia hiditra dingana hafa indray izy ireo. Ny alarobia 30 oktobra ary dia namoaka fanambarana lava be misy andininy 12 ireo mpiasa rehefa avy nifandinika tany, anisan’izany ny fangatahana ny fanesorana ny PDS faran’izay haingana. Nambaran’ireo mpiasa koa fa afangaron’ity tompon’andraikitra ity ny fitantanana ny federasionan’ny tsipy kanetibe sy ny Kaominina, ankoatra ny didiko fe lehibe ataony amin’ny mpiasa. Ny tolakandro moa dia nitafa tamin’ireo mpiasa mitokona ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra sy ny tompon’andraikitry ny lafintany ary ny lehiben’ny Distrika niangavy ireo mpiasa mba hiasa. Mitaky ny handoavana ny karaman’izy ireo iray volana sy ny hanesorana ny PDS anefa aloha izy ireo vao hiasa. Tsy nanan-kambara moa ny lehiben’ny Faritra fa nilaza hampandre avy hatrany ny fitondrana foibe momba izao olana ao Antsirabe izao. Andrasana indray araka izany ny tohin’ity raharaha ity, fa raha ny zava-misy dia efa mitobaka eran’ny tananan’Antsirabe ny fako amin’izao fotoana ary aparitakin’ny orana eran’ny arabe izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT