Manomboka tezitra sy mampiaka-peo amin’ny fomba fitantanana ara-bola ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny alalan’ny fampidirana ilay orinasa SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) ireo mpiasan’ny Kaominina Antananarivo.
Ambaran’ireo mpiasa misahana ny fanangonana haba sy hetra fa alefa any amin’ny SMGD avokoa ny fikirakirana ara-bola rehetra amin’ny alalan’ny tsena, hetran-trano, parking,… Eny fa hatramin’ny birao aza efa saika nobataina nankany avokoa. Raha ny ny voafaritry ny lalàna vao azo ny vola tonga dia mankany amin’ny « trésor », saingy tadiavina halefa any amin’ity SMGD ny asanay, mpiasa ary amin’ny orinasa tsy miankina ary no handeha hibaiko ny Fonksionera izay vita fianianana matoa mikirakira volam-panjakana, ka tsy ekenay mihitsy, hoy ny mpiasa. Misy an’ireo “régissseurs auxiliaires”, izay ekena hoe: mpiasam-panjakana, tonga dia roahana ankitsirano. 60 000 Ar ny karaman’ireo ary tamin’ny andron’i Rina Randriamasinoro Tale ara-bolan’ny Kaominina no mba niady nampiakatra izany 100 000 Ar, roahana tsy afaka mba hiady akory kanefa tena miasa be amin’ny fampidiram-bolan’ny kaominina ireo, ary olon-kafa no nanao ny asany. Mandeha ny tery vay manta amin’ny fangoronam-bola, tahaka ilay hetran-trano nandangana be,… saingy tsy nahomby. Nomarihin’ireo mpiasa fa rehefa manao ny « perception » ady saritaka vao mahazo vola satria ny olona sahirana. Terena handoa vola na mivarotra na tsia, atao isan-kerinandro ny fikajiana ny vola, ka na nandeha fahoriana aza, ohatra, dia tsy te hahalala izany ny CUA fa ny politikany dia nahazo betsabetsaka noho ny tsena isan-kerinandro. Tahaka ny misy fitaka ambadika ny karatra ara-dalàna maha mpivarotra nozaraina toy ny teny amin’ny Pochard, izay natao handoavana vola isan-kerinandro no tanjona. Tena sarotra izany, ary fantatray ireo mpivarotra ireo, fantatray ny asanay, tsy mety mandoa ticket feno ary 10% amin’ireo no mandoa feno ao anatin’ny herinandro, hoy ny fanamarihana. « Manahy izahay fa tsy ho azo ny karamanay, izahay aza mitaky vola isan’andro tsy mahazo, mainka fa atambatra herinandro », hoy ireo mpiasa, izay nanamarika ihany koa fa tara foana ny karama tato ho ato. Taloha PDS (Filohan’ny Delegasionina Manokana) aza no nitantana tsy nisy olana ny fandoavan-karama, kanefa amin’izao misy fangoronam-bola etsy sy eroa, vao mainka tsy mahazo, ka manahy amin’ny ho avinay izahay, hoy ny mpiasa. Nomarihin’ireo, fa tsy misy zavatra tsapa mivaingana makany amin’ny kaominina ity hoe: findramana vola be etsy sy eroa ery, toy ny ilay 11 miliara Ar nalaina tamin’ny CNaPS.
Raha ny fanazavana nentin-dRtoa Lilie Rafaralahy mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo tao anatin’ny fandaharana Bemiray an’ny Top Radio 102..8FM omaly moa amin’ny fikirakirana vola amin’io fampidirana ny SMGD io, dia lasa tsy an’ny kaominina manontolo fa mizara 40% ho azy ary 60% ny an’ny CUA, ka io no mety mahatonga ireo mpiasan’ny CUA maneho fa ny fangoronam-bola etsy sy eroa mandeha kanefa ny karama etsy andaniny mampanahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.