Ho fisorohana ireo lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fahatomombanana ara-teknika eo amin’ny fiara mpitatitra olona na mpitatitra entana na ny tandrevaka sy ny tsirambina ataon’ny mpamily indrindra
indrindra, dia miroso amin’ny fanavaozana ny fanisana ny maha mpamily fiarakodia fitaterana sy ny maha mpitatitra olona na entana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Anisan’ireny ny fanavaozana ny lisitry ny mpamily fiarakodia fitaterana miasa eran’ny Boriborintany enina sy ny lisitry ny maha mpitatitra olona na entana eto Antananarivo, araka ny Naoty laharana faha-045-CUA/M/1AM16 tamin’ny 29 aprily lasa teo. Taratasy fanisana karazany roa no naely nanomboka ny 29 aprily 2016 lasa teo dia ny «Taratasy fanambarana maha mpamily fiarakodia fitaterana eto Antananarivo» sy ny «Taratasy fanambarana maha mpitatitra olona na entana eto Antananarivo». Atao dika roa mitovy ny taratasy fanambarana ka manana hatramin’ny 31 mey 2016 ho avy izao ireo mpitatitra hanaterana izany ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.