Actualités

Kaominina Antananarivo Renivohitra Hiezaka handoa ireo trosa 40 miliara Ar hatramin’izay


  • Talata 09 Aogositra 2016

Nanitsy ny fitantanana antanantohatra sy ny tetibola ny kaominina Antananarivo Renivohitra na «organigramme».

 

 Natao izany mba hifanaraka tsara amin’ny politika ny fampandrosoan’ny Fiadidiana ny tanàna, hoy ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna Andriamorasata Julien. Nisy ny resaka fohy nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana (TT) : Azo fantarina ve ny firafitra vaovao eo anivon’ny CUA ?

Andriamorasata Julien (AJ) : Nipetraka toy ny teo aloha ihany ny firafitra amin’ny ankapobeny. Miketrika ny lafiny vina miaraka amin’ny paikady rehetra ny ben’ny tanàna sy ireo lefiny anankiroa. Manatanteraka ny fanatontosana ny asa kosa ny sekretera jeneraly izay nomena andraikitra betsaka kokoa.

TT : Misy milaza fa sahirana ara-bola ny CUA ?

AJ : Sahirana tokoa ny CUA saingy efa mihatsara ny toebolan’ny kaominina. Azo ambara anefa fa voaloa avokoa ny fandaniana fampihodinana rehetra sy ny fampiasam-bola tsikelikely.

TT : Manao ahoana ny fampidirambolan’ny kaominina ?

AJ : Ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kaominina ny fanavaozana ny lafiny fitantanan-ketra miaraka amin’ny sampandraharahan-ketra amin’ity taona ity. Eo ihany koa ireo fanavaozana hafa tsy maintsy hatao toy ny fandraisana mpiasa misahana ny fanatsarana ny fampidirambola ato anatiny.

TT : Aiza ho aiza indray ny momba ny trosan’ny kaominina ?

AJ : Mahavoasazy ny tsy mitaky hetram-panjakana. Tsy manao trosa rahateo ny CUA amin’izao fotoana izao fa miezaka kosa ny handoa ireo vola tsy voaloa teo aloa maherin’ny 40 miliara ariary. Efa mametraka drafi-pandoavana azy ireo izahay ankehitriny sady mangataka ihany koa ilay tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana tsy voaray hatramin’izao.

Nangonin-dRamano F.

Sary fampihaingoana : Andriamorasata Julien, lefitra faharoan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT