Actualités

Kaominina Antananarivo renivohitra Hiara-kiasa amin’ny fikambanana, hihaino ny olan’ny vahoaka


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Na dia mahatratra 300 isa aza ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia fantatra fa tsy maharaka ny asa tokony hatao amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina ao aminy izany.

Anisan’ireny ny fihainoana ny olan’ny vahoaka eny ifotony. Anisan’ny tena mampitaraina fatratra ny mponina eto an-drenivohitra ohatra amin’izao ny fidangan’ny hetran-trano. Tafakatra 3 hetsy Ar ny vola aloha amin’ny efitrano kely iray ao anatin’ny taona iray….Izany indrindra no antom-pisian’ireo fikambanana miisa 7 niara-nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly. Hanampy ny Ben’ny tanàna no antom-pisian’iretsy voalohany ka anisan’ny tanjona ny hahafahana mitatitra ny hetahetan’ny mponina sy ny maharary azy amin’ny lafiny rehetra hahafahana manatsara zavatra. Ankoatra ireo voalaza ireo moa dia fantatra fa hijery akaiky ny resaka fahadiovana sy ny fiainan’ny mponina eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny ihany koa ireo fikambanana ireo ka anisan’ny tanjony ny hanabe amin’ny lafiny rehetra manomboka any amin’ny fanitsiana ny fisainana ka hatrany amin’ny fampiharana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ny roa tonta omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT