Actualités

Kaominina Antananarivo Natao inona ny vola no taratasy avy tsy misy ?


  • Zoma 29 Aprily 2022

Manaitra ary mahavalalanina ny nahita ny taratasy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo mitondra ny laharana N°182/CUA/M/DIPLES 2022 mitondra ny datin’ny 27 aprily 2022,

izay maneho fa tsy manana tahirina taratasy “A3” sy “A4” intsony ny CUA. Lany sy fongana ny taratasy ka tsy misy ampiasaina intsony ny kaominina, raha zohiana amin’ilay taratasy niparitaka. Ahoana izany ny momba ireo taratasim-panjakana samihafa? Miteraka kiana mivaivay io, fa tena mihemotra ny kaominina, ary tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany. Any amin’ny fitoriana olona no mahaseriny sy hihazakazahana fa any amin’ny vokatra mihemotra tanteraka. Fa manao ahoana tokoa ny resaka fitantanana ara-bola ao amin’ny CUA no toa arakaraka ny fampitomboana ny fitadiavam-bola no toa vao mainka mampisy olana? Natao inona ny 11 miliaran’ny CNaPS no resaka taratasy avy no tsy misy fa hoe fongana ny tahiry? Tsy ny resaka taratasy ihany fa betsaka ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny eto: fandaminana ny tanàna, fandraofana fako, fitantanana tsy mangaraharaha.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT