Actualités

Kaominina Antananarivo Hotoloran’ny Masoivoho Japoney fiara roa


  • Zoma 15 Janoary 2021

Tontosa omaly 14 janoary teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analekely ny fifanaovan-tsonia teo

 

 

 

 amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina sy ny Masoivoho Japoney SEM Higuchi Yoshihiro. Hanolotra fiara famonjena voina roa miteti-bidy 83 215 euros na 388 tapitrisa ariary eo ny Japoney. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa madinika mikasika ny maha olona: “Dons aux Micro-projets locaux contribuant à la sécurité humaine” . Fiara tsotra nohavaozina navadika sy namboarina manokana, toy ny “ambulance”, camion-citerne,… izy ireo izay azo ampiasaina avy hatrany. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny politikan’ny Governemanta Japoney 3R (Réduire, Réutiliser, recycler), izay mifototra betsaka amin’ny fampihenana sy fanavaozana ary fampiasana indray ny zavatra efa nisy. Ho an’ny Sampana Mpamonjy voina eto Antananarivo, izay iantefan’ny fanomezana, dia nambaran’ny Kolonely Razafimanahaka Tiana Lehiben’ny Sampana mpamonjy voina, fa hanamafisana ny ambaindain’ny fitaovana hoentina manao ny famonjena eto Antananarivo. Tanjona ny hanangana “caserne pompier” isaky ny boriborintany, ka tsy ho ampy ny fampitaovana raha ireo efa eo am-pelantanana, ary isan’ny hanamafisana izany ny fitaovana vao ho azo. Nanomboka omaly ny “caserne pompier” eny Analamahitsy, izay hampiakatra ho 4 ny efa misy eto Antananarivo. Hanomboka ny fiofanana amin’ity herinandro ity ireo nifaninana hiditra ho mpamonjy voina sy polisy monisipaly, ary sambany hampidirana vehivavy satria isan’ny antso azo ihany koa ny fisiana vehivavy teraka, izay matetika amin’ny 4 ora maraina. Fiara 4 no nentina namonjy voina tany amin’ny janoary 2020, ary niakatra ho 8, ary rehefa tonga ireo fitaovana 2 dia hiakatra ho 10 izy ireo.

 

Tamin’ny taon-dasa, nahatratra 660 teo ny vonjy voina natao teto Antananarivo, 293 tamin’io ny hain-trano. Tafiakatra 1512 ny fidirana an-tsehatra na “intervention” samihafa, ary heverina fa hitombo izany amin’ity taona ity, hoy hatrany ny Lehiben’ny Sampana mpamonjy voina Kolonely Razafimanahaka Tiana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT