Namory ireo solontenam-pokonolona sy sefo Fokontany ary ireo solontenan’ny koperativa efatra mandalo ao aminy ny Ben’ny tanànan’Anosizato Andrefana, Andriambololona Florence ny talata hariva teo, niaraka tamin’ny solontenan’ny ATT sy ny inspekteran’ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany fahadimy Mahamasina ary ny lehiben’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy ny lefiny.
Fivoriana izay niompana tamin’ny fitadiavam-bahaolana mikasika ny fitohanan’ny fiarakodia any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, indrindra ny avy eo Anosizato Andrefana mihazo an’Anosizato Atsinanana. Tsy misy izay tsy mikolay izany fitohanan’ny fiarakodia izany mantsy ireo olona mampiasa ity lalam-pirenena ity isan’andro, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ihany izay zary miteraka olana amin’ny asa sy ny fianarana mihitsy noho ny fahatarana. Tompon’antoka voalohany amin’izany araka ny fazavana azo ihany ireo mpamily taxibe izay mijanona ela loatra amin’ny toerana iray na koa maka olona amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany, indrindra fa ny taxibe 110. Eo ihany koa ny fanitaran’ireo mpivarotra etsy amin’ny tsenan’ny tantsaha etsy Anosizato ny toerana hivarotany izay mila ho tonga eny afovoan’ny arabe mihitsy rehefa maraina hatramin’ny valo ora.
Hetahetan’ity Kaominina ity noho izany ny hijeren’ny Boriborintany fahadimy ny mikasika ny fandaminana ny fifamoivoizana eo amin’ny «rond point» Anosizato ankoatra ny fanenana ny haben’ity «rond point» ity raha mety hahafahana manampy ny velaran’ny arabe handehanan’ny fiara. Tsiahivina fa vahaolana efa naroson’ity Kaominina ity tamin’ny fampihenana ny fitohanan’ny fiarakodia teny am-piandohana ny famelana ireo taxibe avy any amin’ny lalam-pirenena voalohany handalo manoloana ny faritra misy azy saingy mbola mitohy ary misy hatrany ny fitohanan’ny fiarakodia.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.