Actualités

Kaominina Ankaraobato Tantara sisa ilay fako nivangongo


  • Zoma 01 Aprily 2011

Madio tanteraka ilay toerana fitobian’ny fako ao ambadiky ny Kaominina Ankaraobato. Omaly antoandro no niasa farany ireo fiarabe dimy nifandimby nandraoka sy nitatitra ny fako tao an-toerana nakany Andoharanofotsy, toerana anariana azy.

Roa herinandro no nanesorana ilay fako nivangongo izay nahatratra 38.500 taonina, araka ny tatitra avy amin’ny Kaominina. Volan’ny Kaominina madiodio tanteraka izay mitentina roa hetsy sy fito tapitrisa ariary no nampiasaina. “Orinasa iray any Arivonimamo no mpaka ireo fako ireo isan-taona rehefa faramparan’ny volan’ny jona iny saingy noho ny resabe fanatsatsoana anay mpitantana misolo toerana ny Ben’ny tanàna nataon’ireo andiana mponina sasany dia nitady fiaraha-miasa tamin’ny tompona fiarabe eto an-tanàna sy ny Kaominina Andoharanofotsy izay nanome toerana anatobiana ny fako izahay dia izao iaraha-mahita izao ny vokany”, hoy Randriamiarisoa Gilbert, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato.

Raha tsiahivina moa dia notsikerain’ny vatan-dehilahy vitsivitsy nitonona ho solontenan’ny mponin’Ankaraobato ho tsy mahavita azy no sady malalay fonosana tsy manaiky fiaraha-miasa ireto ekipa teknikan’i Guy Maxime Ralaiseheno ireto. Nanamarika koa ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana, Razafindrakotoarinala Solonirina fa hakatona tanteraka mihitsy ilay fanariampako ao ambadiky ny Kaominina fa hangonina isan-tokantrano ny fako, araka ny lamina izay hapetraka. “Fotodrafitrasa sosialy no hapetraka eo amin’io toerana io. Momba ny fako indray dia hisy ny fametrahana fandaharam-potoana isa-pokontany hanangonana azy. Hasiana ny hetra manokana antsoina hoe : ‘Redevance des Ordures Ménagèreshanakaramana ireo mpaka fako sy ny fiarabe hitatitra azy” raha ny fanazavany ihany.

 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT