Zazalahy kely am-polony maro no noforaina maimaimpoana tao amin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo
Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny sehatra tsy miankina no angady nananana sy vy nahitana izany entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Betsaka amin’ny tokantrano Malagasy no tsy mahavita mandoa vola hanaovana famorana intsony amin’izao, eny fa na dia ho an’ireo misafidy ny hanatona rainjaza handoavana vola izay foy aza noho ny fahasahiranana. Etsy an-danin’izay, mihoatra ny 80.000 Ar ny mamora zaza iray ho an’ireo karazany tsy mandeha ra eny anivon’ireo tobim-pitsaboana tsy miankina sasany izay marihina fa tsy takatry ny kely vola. Noho ireo antony ireo indrindra no nanosika ny kaominina Andranonahoatra hanampy ireo mponina ao aminy. Tsy hijanona hatreo moa ny ezak’ity kaominina ity. Anisan’ny mbola mampitaraina ny mponina mantsy ny haratsian’ny ampahan-dalana sasany ankoatra ny resaka tsy fandriampahalemana izay manomboka mahazo vahana ihany koa amin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.