Actualités

Kaominina Andoharanofotsy Nampisakafo ireo sahirana


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Tsy diso anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ny kaominina Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

Olona sahirana miisa 640   miparitaka amin’ireo  fokontany valo mandrafitra ny kaominina no  notolorana  sakafo maimaimpoana ny sabotsy teo teny amin’ny  La résidence Tournesol. Somary  niova endrika kely ny hetsika tamin’ity taona ity. Raha fotsimbary sy menaka niampy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro mantsy no natolotra ireo sahirana rehefa fetin’ny asaramanitra tahaka izao, hoy Rahobison Lalaina, lefitry ny Ben’ny tanàna voalohany dia niara-nisakafo tamin’izy ireo mihitsy ny Ben’ny tanàna sy ny ekipan’ny kaominina tamin’ity taona 2016 ity. Antony dia ho fanomezana fahafaham-po azy ireo sady hanafoanana ny ahiahiny amin’ny tahotra miditra birao ihany koa ka hahafahany maneho mivantana ny hetahetany amin’ny Ben’ny tanàna ho fampandrosoana ny kaominina. Ankoatra izay dia zazalahy kely  miisa 70 ihany koa no noforaina maimaimpoana tao amin’ny CSB II Andoharanofotsy tamin’io andro io ihany, fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny loholon’i Madagasikara voafidy teny an-toerana, ny mpanolotsaina kaominaly ary ny fikambanana Lions club. Mbola hitohy amin’ny fizarana harendrina ho an’ny ankizy madinika ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT