Hametraka amin’ny toerany ny lalao baolina kitra ao amin’ny faritra misy azy amin’izay ny kaominina Andoharanofotsy, tarihin’ny Ben’ny tanŕna Ranirison Hasina. Anisan’ny lalao ara-panatanjahantena tena mahaliana ny tanora tokoa ny baolina kitra ho an’ity kaominina ity,
antony nanosika ny kaominina hikarakara championnat izay hotanterahina ny fiandohan’ny volana septambra ho avy io. Mba hahatrarana ny tanjona sy hahamatihanina ny fifaninanana anefa dia hisy ny fiofanana hatrehin’ireo mpanazatra manomboka ny sabotsy ho avy izao. Haharitra iray volana izany hiarahana amin’ny federasionan’ny taranja baolina kitra eto amintsika ka ny tanjona dia hahafahana mijery sy mitily ireo mpilalao tena manan-talenta ankoatra ny fitaizana ara-batana sy ara-tsaina ny tanora tsy hanaotao foana. Hiainga avy amin’ny herim-pony sy ny eo an-tanany aloha ny ekipa sy ny kaominina amin’izao fiandohany izao raha manantena kosa izy ireo fa ho avy tsy ho ela ny fanampiana avy amin’ny malalatanana atsy ho atsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.