Actualités

Kaominina Ampitatafika Mbola tena tsara fihavanana ny Ben’ny tanàna sy ny vahoaka


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Mbola tena tsara fihavanana ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina sy ireo vahoaka eo ambany fiadidiany.

Hita taratra izany nandritra ny fitetezany ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina izay nofaranana tao amin’ny Fokontanin’i Malaza omaly. Tao anatin’ny telo volana katroka no nanatanterahan’ny kaominina izany fitetezana Fokontany izany nijerena ny resaka tsy fandriampahalemana, ny fahasalamana ary ny resaka fahadiovana. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fihainoan’ny kaominina ny kiana avy amin’ny vahoaka sy ny hetahetan’ireto farany mikasika ireo asa fampandrosoana tokony hotanterahina ao aminy. Nambaran’ny Ben’ny tanana fa mikasika ny fandriampahalemana manokana dia efa tena miezaka ny kaominina sy ny zandarimariam-pirenena ary efa tena nihenabe izany raha nahitana hatramin’ny tsindron’antsy teo aloha. Mikasika ny foto-drafitrasa toy ny sekoly sy ny paompin-drano fisotro madio indray dia efa tena nanao ezaka ny kaominina raha any amin’ny lalana no mbola tsy maintsy hitadiavana mpamatsy vola. Marihina moa fa nampahafantarina ny vahoakan’i Malaza nandritra izany ny hetra naloany hahafahana manao tamberim-bidy amin’izy ireo, ny ora fisokafan’ny kaominina sy ny ora hidiany, ny asa tanterahin’izy ireo amin’ireo karazana antontan-taratasy maro samihafa ilaina, ny resaka serasera toy ny facebook…ary ny fahafahana manao aterneto maimaimpoana eo anivon’ny kaominina ho an’ny olona tsy an-kanavaka.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT