Kaominina Ampitatafika

> Misy mandrovitra ny afisin'ireo kandida, voatery nafindra toerana ny takela-kazo fametahana azy


  • Talata 01 Oktobra 2013


Voatery nafindra toerana manoloana ny biraon'ny zandarimariam-pirenena nanomboka omaly alatsinainy 30 septambra ilay takela-kazo fametrahana ny afisin'ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ho an'ny Kaominina Ampitatafika, Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanàna Raparaoelina Rado dia misy mandrovitra hatrany izay afisy mipetaka no sady misy migafy ihany koa. Eo an-danin'izay anefa dia vola mitentina 4 hetsy Ariary no lanin'ny Kaominina tamin'ny fanamboarana azy io raha dimy alina sy iray hetsy Ariary ny vola nomen'ny CENIT. Ny Kaominina no nameno ny banga mba hahafahan'ny mponina mahalala ny zony sy miatrika ny fifidianana araka ny tokony ho izy, hoy ihany ny Ben'ny tanàna.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT