“Manompa anay ireo milaza fa milamina ny ao amin’ny lemak’i Manampanihy Ranomafana-Ambolo”.
Io no nambaran’ireo mponina avy amin’iny Ranomafana Ambolo toerana nanaovan’ny ekipan-dRemenabila ny ampahan’ny asa ratsiny. Tsy ao ihany fa hatrany amin’ny Kaominina Ampasimena tapany avaratra ao amin’ny Distrikan’i Faradofay. Raha fangalarana omby an-jatony maro no fahita dia ny mifanohitra amin’izany indray no ataon’ireo malaso. Mandeha tsiroaroa na tsitelotelo indray izao ireo olon-dratsy ary manao barofo ireo olona izay hitany na an-dalana na an-tanàna. Ny fiandohan’ny herinandro teo iny, dia nitondra faisana indray ny mponina tao amin’ny tanàna atao hoe Andasibe Ampasimena. Tsy dia lavitra loatra ny renivohitry ny Kaominina. Teo am-panaovana lanonam-pianakavina iny indrindra no tamy tampoka, niditra ny tanàna ireto efa-dahy mirongo basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany. Avy hatrany dia noraofin’izy ireo ireo fitaovana sy ny entana rehetra izay zakany miaraka amin’ny sakafo sy zavapisotro. Tsy afa-nanohitra ny Fokonolona, nitazam-potsiny nanaraka ny sitrapon’ireto olon-dratsy. Tsy nisy ny fifandonana. Azon’ireo andian’olona izay notadiaviny dia lasa nandeha nanohy ny diany moramora izy ireo. Fa mbola tao amin’ny tanàna atao hoe Andasibe mbola any amin’ny Kaominina iray ity ihany no nitondra faisana vokatry ny hetraketrak’ireo malaso ireo mponina. Fandrobana sy fangalarana ary fanaovana an-keriny no ataon’ireto andian’olona miisa-10, miandahy miambavy, mitondra basy. Tsy omby indray no nalainy fa ny vola, firavaka volamena sy volafotsy, vilany, vary… izany hoe ireo entana lafo vidy fampiasan’ny mponina andavanandro. Eo am-panangonana ny entana dia mampitandrina ireto olon-dratsy ny tsy tokony hahatongavan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Notsindrian’izy ireo hatrany, hoy ny Fokonolona fa raha mbola mahita mpitandro ny filaminana mipetraka any an-toerana ireto olon-dratsy ireto dia ny ain’ireo izay tratrany no manefa. Very fanahy mbola velona ny mponina.
Loza
Fa omby miisa 15 no lasan’ireo tari-dRemenabila tao an-drenivohitry ny Kaominina Ranopiso. Antoandrobe Nanahary no nakany ireo omby. Tsy afa-manohitra ny Fokonolona noho ny hery tsy mitovy. Ny alatsinainy 23 jolay teo no nitrangan’izany. Tsy rototra ireto dahalo mitam-piadiana ny maka sy mitondra ireo omby lazain’izy ireo fa fananany. Misy tobina zandary ao amin’ity Kaominina Ranopiso ity, saingy araka ny vaovao azo tamin’ireo solontenan’ny Fokonolona dia tsy sahy manohitra ireo fa vao mainka mandositra ny tanàna noho ny fahatahorana ny aina. Tsy hita popoka hatramin’izao ireo omby very, toy ny nitranga tany Betroka io andron’ny alatsinainy io ihany, izay nahaverezana omby 250 be izao, norobaina dahalo efa ho 60 lahy.
Mihetsika avokoa ireo tambajotran-dRemenabila amin’ireo Kaominina manodidina an’i Betroka, mipaka hatrany Beraketa izay vao notafihin’ny dahalo mitam-piadiana ka nahaverezana omby 300. Mijaly ny mponina. Raha izao no tsy mbola ahitana vahaolana maharitra dia ho loza no hiafaran’ny Malagasy any atsimo.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.