Kaominina Ambohipaky sy Ankasakasa

> Mandray 0,4 dolara isan’andro isam-batan’olona


  • Sabotsy 14 Septambra 2013

Mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana omby ny fiveloman’ny 70%-n’ireo mponina ao amin’ny Kaominina Ambohipaky, Distrikan’i Soalala sy Kaominina Ankasakasa, Distrikan’i Besalampy, araka ny fanadihadiana nataon’ny SIF na Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany tamin’ny volana aogositra 2013.

Mila tany midadasika hatrany amin’ny arivo hekitara mahery ny fanatontosana ireo karazan’asa ireo ka manodidina ny 2.237.350 Ariary isan-tokantrano ahitana olona 7 ny vola miditra isan-taona, izany hoe 6.200 Ariary na 2,8 dolara isan’andro ho an’ny tokantrano iray izany hoe 0,4 dolara tsirairay izay tena ambany dia ambany tokoa mihoatra amin’ny fetran’ny fahantrana izay 1,25 dolara. Manampy trotraka izay ny salan’isa tena ambany amin’ny fidirana an-tsekoly satria 4% monja no tafakatra amin’ny dingana salantsalany. Tsy ampy ihany koa ireo mpiasa, ny fotodrafitrasa ary fitaovana fizahana marary any an-toerana izay lavitra tokoa satria mila mandeha an-tongotra na sarety 100 kilometatra. Ny lalana rahateo tena ratsy tanteraka ka midangana ny saran-dalana aloa amin’ireo fiara tsy mataho-dalana izay mahalana be vao misy mandalo. Ny tena mampalahelo dia ny haratsin’ny toeram-piasan’ny lehiben’ny Distrika taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza namotika ny tanàna. Io anefa no fotodrafitrasa tranom-panjakana hany misy any an-toerana misolo tena ny fitondrana foibe. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa voakasika manokana amin’ilay tetikasa fitrandrahana vy mitentina 100 tapitrisa dolara izay niandraiketan’ny orinasa sinoa Wisco ireo Kaominina roa ireo saingy tsy misy akony amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina izany. Raha nanontaniana rahateo ny Ben’ny tanànan’Ambohipaky, Jean Gaston dia nilaza mazava fa tsy mahalala velively ny momba izany bolongam-bola izany, eny fa na dia ity tetikasa ity aza dia tena manjavozavo be ihany ho an’ny mponina any an-toerana.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT