Actualités

Kaominina Ambohibao Atsimo Hametrahana kianja maitso handinihina ireo asa fampandrosoana


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Hiainga eny ifotony ny asa fampandrosoana hotanterahina eo anivon’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana manomboka izao.

 Hatomboka amin’ny herinandro ho avy io ny asa fanamboarana ilay kianja maitso hahafahan’ny fokonolona mifampidinika sy mifanakalo hevitra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina. Taorian’ny fidinana nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM tany amin’ity distrika iray ity mantsy mikasika ny fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny samy vahoaka… dia nahatsapa ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina fa tena ilaina tokoa izany indrindra fa amin’izao vanim-potoana lalovantsika izao. Rehefa mifankazatra sy mifankahalala mantsy ny olona hoy izy dia zary mahay mifankatia sy mifampitaiza. Toraka izany koa hoy izy ny fanentanana mikasika ny fandoavan-ketra izay ilaina fifampitaizana ihany koa hahafahana manao ny asa fampandrosoana eo anivon’ny kaominina. Nomarihin’ny Ben’ny tanana Fidy Bariniaina moa fa anisan’ny tena hifolosan’izy ireo mafy amin’izao ny resaka fampandrosoana mahakasika ny filan’ny vahoaka antony hirosoany amin’ny fanamboarana ity kianja maitso ity. Rehefa manan-kevitra ny kaominina hoy izy dia mamory ny fokonolona hifampitafa aminy eo amin’ny kianja maitso. Toraka izany koa ny fokonolona izay hampiantso ny Ben’ny tanana rehetra manan-kevitra tsara ho enti-mampandroso ny tanana.
Pati
Legende : Atoa Fidy Bariniaina, Ben’ny tananan’ny kaominina Ambohibao Atsimo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT