Actualités

Kaominina Alasora Hasiam-panamboarana ireo fotodrafitrasam-panatanjahantena


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Havaozina sy hasiam-panamboarana avokoa ireo foto-drafitrasa fanaovana fanatanjahantena ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Atsimondrano.

Anisan’izany ny kianja maitso ao Mahazoarivo. Hasiana kianja filalaovana basikety baolina ihany koa ao amin’ny EPP Miadana raha toraka izany ny ao amin’ny sehatra maitso…Samy hahazo sy hisitraka izany avokoa ny mponina manerana ireo Fokontany 19 mandrafitra ny kaominin’Alasora hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy ankoatra ny Fokontanin’Ambohidrazaka. Tsiahivina moa fa tena fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay lalao « tournoi du maire » notanterahina tao amin’ity kaominina ity izay marihina fa efa nikatona. Tafakatra 85 isa mantsy ireo ekipa nandray anjara tamin’izany izay nitombo avo roa heny raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mandroso sy miroborobo araka izany ny sehatry ny fanatanjahantena ho an’ny kaominina Alasora izay ezahina hohatsaraina hatrany. Sady nampifankatia no nampifanakaiky bebe kokoa ny mponina mantsy ny fisian’ilay hetsika no sady hahafahana miady amin’ny fidonanam-poana sy ny fidorahana zava-mahadomelina ihany koa indrindra fa ho an’ireo tanora. Hiezaka hatrany araka izany ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany hanatsara sy hampandroso izany ao amin’ny faritra iadidiany.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT