Actualités

Kaominina 5 any Bealanana Veloma hatreo Radelestazy…


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Veloma tanteraka radelestazy ho an’ireo mponina an’arivony manerana ireo kaominina 5 ao anatin’ny distrikan’i Bealanana.

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia novatsian’ny ONG GRET/ADER-MEH sy ny orinasa HIER herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina izy ireo. Miainga ao amin’ny ranon’Andriamanjavona Ampandrana any amin’ny distrikan’i Bealanana izany. Anisan’ny mahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity ny kaominina an-drenivohitr’i Bealanana. Vokatry ny fiaraha-miasan’ ny solombavambahoaka sy ny Governoran’ny faritra Sofia tamin’ireo mpiaramiombon’antoka aminy, ny Orinasa HIER ( Hydro Ingénierie Études Réalisation ) ‚ ny ONG GRET/ADER-MEH no nahafana nanatanteraka izany ho fampandrosoana tanàna sy hamahana ny olàn’ny mponina . Tsy voatery hiantehatra amin’ny herinaratra vatsian’ny orinasa JIRAMA ihany araka izany ny rehetra fa afaka mitady lalana hafa ihany koa.
Nangonin’i Pati Legende : Miainga avy amin’ity renirano ity ilay herinaratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT