Ao anatin’ny loto sy fofona maimbo tanteraka i Toamasina ankehitriny. Tsy voafehin’ny Kaominina intsony ny fanalana ireo fako amin’ireo tsena goavana, sy amin’ireo toerana efa natokana ho fanariana ny fako.
Tsy misy ny fanazavana ofisialy azo mikasika izany hatreto, fa ny hany fantatra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety dia noho ny olana ara-bola goavana mahazo ny Kaominin’i Toamasina no antony tsy hahafahana ny fako intsony. Efa nifarana tamin’ny faran’ny volana febroary rahateo ny tolotanana nataon’ny orinasa Ambatovy, izay naharitra telo volana.
“Tsy manam-bola mihitsy ny Kaominina izao. Na ireo karaman’ny mpiasa aza tara lava tato ho ato izay, ny volana febroary aza hatramin’izao tsy mbola noraisina, ireo mpiasa an-tselika efa ny volana desambra 2012 no nandray karama farany”. Izay no nambaran’ireto mpiasa tafaresaka taminay. Ankoatra izay dia fantatra izao fa lasa any Frantsa nanomboka ny alatsinainy teo ny PDS ny kaominin’i Toamasina Toalina Zafindrabary sy mpiara-miasa aminy vitsivitsy. Tsy mahalala ny anton-diany anefa ireo mpiara-miasa aminy sy ry zareo eo anivon’ny Filankevitra monisipaly. Manangasanga any indray izao ny fitokonan’ny mpiasa raha ny angom-baovao hatrany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.